Song of Solomon 3

1Teo am-pandriako nony alina dia mazàna nitady ilay tian’ ny fanahiko aho; Nitady azy aho, fa tsy nahita azy. 2Dia hoy izaho: Hifoha aho ka handehandeha eo an-tanàna, dia eny an-dalambe sy eny an-kalalahana, hitady ilay tian’ ny fanahiko eny, nitady azy aho, nefa tsy nahita azy. 3Hitan’ ny antily izay mandehandeha eny an-tanàna aho; Dia hoy izaho: Sao mba hitanareo lahy ilay tian’ ny fanahiko iny? 4Nony vao nandalo ireo vetivety foana aho, dia hitako ilay tian’ ny fanahiko, ka nohazoniko izy, fa tsy navelako handeha, mandra-pitondrako azy ho any an-tranon’ ineny, dia any amin’ ny efi-tranon’ ilay niteraka ahy. 5Mampianiana anareo amin’ ny gazela
Anaram-biby haingan-tongotra.
na amin’ ny dieravavy
Anaram-biby haingan-tongotra.
any an-tsaha aho, ry zanakavavin’ i Jerosalema; Aza manaitra na mamoha ny fitiavana, raha tsy efa sitrapony.

Ny amin’ ny nampakarana an-dravehivavy

6Iza moa iry vehivavy miakatra avy any an-efitra, tahaka ny setroka mitankosina, sady tsara fofona amin’ ny miora sy ny ditin-kazo mani-pofona mbamin’ ny vovoka manitra samy hafa entin’ ny mpandranto? 7Indro ny filanjan’
Heb farafara.
i Solomona! Lehilahy enim-polo, mahery avokoa, avy amin’ ny lehilahy mahery amin’ ny Isiraely, no manotrona azy.
8An-tsabatra avokoa izy rehetra sady mahay miady, samy mitondra ny sabany eo am-balahany avy noho ny tahotra amin’ ny alina. 9Nanao filanjana
Heb farafara.
ho azy Solomona mpanjaka tamin’ ny hazo avy any Libanona:
10Volafotsy no nataony andriny, ary volamena ny fiankinana, volomparasy ny ondany, ny ao anatiny voaravaka amin’ ny fanomezam-pitiavana avy tamin’ ny zanakavavin’ i Jerosalema. 11Mivoaha, ry zanakavavin’ i Ziona, ka mijere an’ i Solomona mpanjaka, misatroka ilay satro-boninahitra nasatro-dreniny azy tamin’ ny andro nampakarany vady, dia tamin’ ny andro nifalian’ ny fony.

Copyright information for Mg1865